Italia (faritra ara-jeografia)

I Italia dia faritra ara-jeografia ao Eorôpa Atsimo izay manana velarana 324 000 km2, voafaritry ny tandavan-tendrombohitra Alpa ao avaratra andrefana sy ao avaratra, ary ny Ranomasina Mediteranea no manodidina ny sisa rehetra. Mifanandrify amin'ny tanin'ireto firenena sy fanjakana ireto ny faritra ara-jeografian'i Italia: i Italia, i San Marino (frantsay: Saint-Marin), i Vatikàna, i Mônakô, i Malta. Manampy azy ireo ny ampahan'ny kôntinenta ao avaratra sy ny ampahany amin'ny saikanosy ao afovoany ary ny faritra misy nosy ao atsimo sy ao andrefana. Eo anelanelan'ny Saikanosy Iberika sy ny Saikanosy Balkanika no misy azy ka mikasika ireo fizarazaràn'i Mediteranea, dia ny Ranomasina Ligoriana, ny Ranomasina Tireniana, ny Ranomasina Iôniana ary ny Ranomasina Adriatika.

I Italia tamin'ny taona 1853.