Ny aogostinisma na aogostinianisma dia lamin-kevitra filôzôfika sy teôlôjikan' i Aogostino avy any Hipôna ary ny fivoarany manaraka avy amin' ny mpandinika hafa. Anisan' ny asa lehibe indrindra nataon' i Aogostino ny De civitate Dei contra paganos ("Tanànan' Andriamanitra) sy ny De doctrina Christiana, ("Ny Fotopampianarana Kristiana") ary ny Confessiones ("Fiekem-pinoana"). Ny mpandinika izay nanohy ny hevitr' i Aogostino dia ahitana indrindra an' i Boethius (taona 480–524), i Anselm avy any Canterbury (taona 1033/4–1109) ary i Bonaventure (1221–1274).

I Masindahy Aogostino, sary nataon' i Philippe de Champaigne

Tany am-boalohany dia nivoatra tao anatin' ny fanoherana ny pelagianisma ny aogostinisma; niely patrana izany tao amin' ny filôzôfia tandrefana tamin' ny Andro Antenatenany mandra-pahatongan' ny tômisma sy ny aristôtelisma. Niantraika tamin' ny fiheveran' i Aogostino tamin' ny lafiny maro ny filôzôfian' i Platôna sy ny an' i Plôtinôsy, ary heverina ho filôzôfa neôplatônika izy. Ny teôdikea aogostiniana sy ny foto-pampianarana aogostiniana hafa toy ny "fahazavana avy amin' Andriamanitra" sy ny "fiangonana tsy hita maso" dia mampiseho ny tanjaky ny fitaoman' i Platôna.

Tamin' ny voalohany dia tsy niseho ho rafitra raniray ny eritreritr' i Aogostino izay niteraka andiana tsangan-kevitra filôzôfika sy teôlôjika natambatra tamin' ny anarana hoe "aogostinisma" taty aoriana. Tsy ny lahatsoratra loatra, fa ny hevitr' i Aogostino no tena nanjaka nandritra ny Andro Antenatenany sy, farafahakeliny, hatramin' ny taonjato faha-17. Nanjaka teo amin' ny teôlôjia tamin' ny alalan' i Aogostino ny idealisman' i Platôna.

Ny aogostinisma dia ahitana ny lohahevitra momba ny ilàna ny fahasoavana hahazoana famonjena, ny fampihavanana ny finoana sy ny saina, ny fahalalana voajanahary an' Andriamanitra, ny maha miiba ny ratsy. I Aogostino ihany no Rain' ny Fiangonana (na Aban' ny Eglizy) namokatra lamin-kevitra toy izany. Nandray anjara lehibe tamin' ny fiheverana môderina momba ny fahafahana sy ny maha-olombelona ny adihevitra nateraky ny fandikana sy ny fivoasana ny aogostinisma.

Jereo koa hanova