Ny tômisma dia sekolim-pisainana filôzôfika sy teôlôjika avy amin' ny asa soratr' i Tômasy avy any Akoino izay ahitana ny realisma filôzôfika indrindra. Ny tômisma dia naka endrika maro arakaraky ny vanim-potoana sy ny toe-javatra, miala lavitra na akaiky amin' ny tena tsangan-kevitr' ilay dokoteran' ny Fiangonana sady dôminikana, araka ny karazan' endrika, ny sasany misy fandikana tena malalaka, ny hafa mionona amin' ny fiarovana henjana ara-bakitenin' ny Summa Theologica. Ny ankamaroan' ny filôzôfa amin' ny vanim-potoana môderina, toa an' i René Descartes, i John Locke, i Gottfried Wilhelm Leibniz ary taty aoriana toa an' i Immanuel Kant, dia mamaly mivantana na ankolaka ny endrika ùaron' ny tômisma tamin' ny andron' izy ireo.

Tômasy avy any Akoino

Ny fanavaozana ny tômisma, antsoina hoe neôtômisma, dia nivoatra nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20. Amin' izao fotoana izao, ireo mpandinika izay mifandray amin' ny eritreritr' i Tômasy avy any Akoino dia manao ny tômisma ho hetsika ara-pilôzôfika sy ara-teôlôjia izay mbola matanjaka.