Antsahadinta dia iray amin' ireo tendrombohitra roa ambin' ny folo masina tao amin' ny Fanjakana Merina. Io toerana io dia nohatsarain' ny mpanjaka Andriamangarira (1725 - 1775), zafikelin' Andriamasinavalona, ​​mpanjakan' Imerina (1675 - 1710). Tao no nisy ny renivohitry ny fanjakana tany amin' ny tapany andrefan' Imerina.

Trano fitomiandalana ao anaty rovan' Antsahadinta
Trano fiangonana FJKM Antsahadinta

Tao koa nisy ny iray amin' ireo sekolim-panjakana roa ambin' ny folo voalohany naorin' i James Cameron sy ireo misiôneran' ny London Missionary Society (LMS) hafa tamin' ny andron-dRadama I. Ahitana fasana mpanjaka merina maromaro ao.

Jereo koa hanova