Ambohitrotsy dia tanàna kely sady isan' ireo havoana masina roa ambin' ny folo tao amin' ny Fanjakana Merina. Tsy lavitra an' Antsahadinta no misy azy. Nanana ny lanjany iy io tamin' ny andron' ny Fanakana Merina. Tao no teraka Andriambelomasina, zafikelin' Andriamasinavalona sady raiben' Andrianampoinimerina. Nanangana vato masina sy nanorina trano fonenana sy valan' omby lehibe maro tao Andrianampoinimerina. Ankehitriny ity toerana ity dia lasa tanàna kely tsy ahitana afa-tsy trano madinika vitsivitsy.

Jereo koa hanova