Imerimanjaka na Merimanjaka dia iray amin' ireo tendrombohitra roa ambin' ny folo masina tao amin' ny Fanjakana Merina.

Imerimanjaka

Araka ny lovantsofina dia ao Imerimanjaka no misy ny fasan' ny mpanjakavavy vazimba roa Rangita, izay nitondra ny fanjakany tamin' io faritra io, sy Rafohy, renin' i Andriamanelo, mpanjaka voalohany tamin' ny tarana-mpanjaka merina.

Ny fomban' ny Vazimba anefa dia ny mandentika faty anaty rano fa tsy mandevina an-tanety. Rangita sy Rafohy, rehefa maty, dia nampidirina tanaty vatam-paty volamena miendrika lakana, avy eo nalentika tanaty honahona. Misy fasana izay lazaina fa fasan-dRangita anefa ny ao Imerimanjaka [1].

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Kent, RK Les premiers royaumes à Madagascar: 1500-1700. Holt, Rinehart et Winston, 1970.