I Amerika Hispanika na Amerika Espaniôla (ara-tantara) dia ny faritra ahitana ny firenena miteny espaniôla rehetra any Amerika. Any amin' ireo firenena rehetra ireo, ny fiteny espaniôla no fiteny be mpampiasa indrindra - indraindray manana sata ôfisialy mitovy amin' ny fiteny teratany iray na maromaro (toy ny fiteny goarany, ny fiteny ketsoa, ny fiteny aimara, na ny fiteny maiana) na ny fiteny anglisy (any Pôrtô Rikô), ary ny katôlisisma no fivavahana be mpanaraka indrinda any. Amin' ny teny espaniôla izany faritra izany dia atao hoe Hispanoamérica na América Hispana sy América Española (ara-tantara).

Amerika Hiaspanika

I Amerika Hispanika indraindray dia avondrona miaraka amin' i Brezila amin' ny anarana hoe "Iberô-Amerika", izay midika hoe ireo firenena any Amerika manana fototra ara-kolontsaina ao amin' ny Saikinosy Iberiana. I Amerika Hispanika ihany koa dia tsy ampitovina amin' i Amerika Latina, izay ahitana an' i Amerika Hispanika sy i Brezila (Amerika Pôrtiogey teo aloha) ary ny zanatany frantsay taloha tany amin' ny ila-bolantany andrefana (ny faritra any Etazonia na any Kanada ankehitriny no tsy tafiditra ao).

Firenena 19 no tafiditra ao anatin' ity faritra ity: Arzantina, Bôlivia, Sily, Kôlômbia, Kôsta Rika, Kiobà, Ekoadôra, Salvadôro, Goatemala, Hôndorasy, Meksika, Nikaragoa, Panamà, Paragoay, Però, Pôrtô Rikô, Repoblika Dôminikanina, Orogoay ary Venezoela.

Jereo koa

hanova