Ny aloalo dia tsato-kazo voasokitra avy aty ambany hatrany ambony izay entina anaingoana ny fasana any amin' ny faritra mahafaly sy karimbola ary tandroy (indrindra ny tapany andrefana), ka matetika ahitana sarin' omby na sarin' olona ny eny amin' ny tampony. Matetika ny aloalo eny amin' ny fasana mahafaly na antandroy dia hodidinin' ireo tandrok' omby novonona tamin' ny fandevenana sy fanamboaram-pasana. Ahitana aloalo koa tsindraindray ny fasan' ny Sakalava. Ao amin' ny Bara, ny aloao dia mety ho sarivongana tsotra maneho sarin' olona iray.

Fasana misy aloalo

Ny aloalo eny am-pasana hanova

Fanamboarana aloalo hanova

Tsy ampiasana afa-tsy ny loko mainty ny aloalo mahafaly na antandroy, ka ny fisokirana ilay hazo no manome loko mazava mampisongadina ny sary voasokitra. Ny tapany ambanin' ny aloalo dia voasokitra maneho sary misy zorozorony na kiboribory sisina. Mety hahitana sarin' olona mitanjaka sy sarim-borona koa ny eny amin' ny tampon' ny aloalo.

Ny aloalo tranainy indrindra dia tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-18 ary tsy mahakasika afa-tsy foko vitsy ihany. Saika sarin' omby sy vorona ihany no nasehon' izy ireo tamin' izany fotoana izany. Tsy mampiseho sary vetaveta ireo aloalo ireo, tsy toy ny sary sokitra fandevenana any amin' ny faritra Menabe.

Araka ny fomban-drazana dia omena omby ny mpanao sary sokitra, ka mety mahatratra hatramin' ny omby 5 izany raha tena tsara ny aloalo.

Ny isankarazany ny aloalo amin' izao fotoana izao ka matetika voaloko mamirapiratra, maneho sehatra samihafa momba ny fiainan' ny maty mifandray amin' ny sary ara-jeômetria mifandimbindimby. Azo raisina ho anisan' ny fanehoana ny zakantom-bahoaka malagasy ny aloalo.

Fampiasana ny aloalo hanova

Ny Mahafaly sy ny Antandroy dia tsy mampiasa aloalo afa-tsy eny am-pasana. Miankina amin' ny haren' ilay olona maty ny habetsahan' ny aloalo sy ny tandrok' omby mitsatoka eny amin' ny fasany. Mamintina ny tantaran' ilay olona milevina ao amin' ilay fasana ny sary aseho amin' ny alalan' ny aloalo, ka mahakasika ny toerany teo amin' ny fiarahamonina izany (fananany omby maro, sns).

Ny aloalo ankehitriny hanova

 
Aloalo anaty mozeo any andafy

Tafiditra an-tanàna ny aloalo hanova

Raha tsy hita afa-tsy teny amin' ny fasana sady ivelan' ny tanàna ny aloalo, amin' izao fotoana izao dia hita any an-tokantranon' olona izany. Fanampin' izany, raha any amin' ny faritra atsimon' ny Nosy no nanao ny asa sokitra aloalo dia efa lasa fitadiavam-bolan' ny Malagasy maro ny fanamboarana izany hamidy hatao haingon-trano na haingon-tokontany.

Ahitana aloalo any amin' ny tranofonenana na any amin' ny zaridainan' ny trano fandraisam-bahiny, toy ny hita ao Toliara.

Tonga hatrany andafy ny aloalo hanova

Matetika ny mpizaha tany dia mividy azy ireny hataony fahatsiarovana. Vokatr' izany dia mitranga indraindray ny fanazimbazimbana ny fasana amin' ny alalan' ny fangalarana aloalo eny amin' ny fasana.

Jereo koa hanova