I Zerobabela na Zôrôbabela dia olona resahina ao amin' ny Bokin' i Ezra (na Esdrasa) sy ao amin' ny Bokin' i Hagay (na Akjea) ary ao amin' ny Bokin' i Zakaria ao amin' ny Baiboly hebreo sy ny Testamenta Taloha. Zafikelin' i Jôiakina mpanjakan' i Jodà izy, ary lasa governora tao amin' ny faritanin' i Jodea (atao hoe Yehud Medinata), faritany persiana (tamin' ny fitindran' ny Akemenida), tamin' ny taonjato faha-6 tal. J.K., izany hoe mpitarika ny vahoaka jiosy, tamin' ny andron' i Dariôsy I.

I Zerobabela, governoran' i Jodà (Hagay 1:1) ary zafikelin' i Joiakina, mpanjakan' i Jodà talohan' ny mpanjaka farany.

Tamin' ny fiafaran' ny fahababoan' ny Jiosy tany Babilôna dia nandray anjara tamin' ny fanorenana ny Tempoly faharoa tao Jerosalema izy, ary voalaza ao amin' ny Testamenta Vaovao fa razamben' i Jesoa.

Ny anarany dia atao amin' ny teny hebreo hoe זְרֻבָּבֶל, angamba avy amin' ny teny akadiana hoe zēr-bābili, izay midika hoe "zanak' i Babilôna").