I Yitzhak Rabin (hebreo: יִצְחָק רַבִּין,) dia miaramila sady mpitondra fanjakana israeliana, praiminisitra tao Israely nanomboka tamin' ny taona 1974 ka hatramin' ny taona 1977, praiminisitra indray nanomboka tamin' ny 1992 ka hatramin' ny nahafatesany. Teraka tao Jerosalema tamin' ny 1 Marsa 1922 izy sady nitondra ny anarana hoe Rubitzov, ary nisy namono tao Tel Aviv tamin' ny 4 Nôvambra 1995,

Yitzhak Rabin tamin' ny taona 1994

Tamin' ny taona 1941 dia niditra tao amin' ny Palmach, rafitra ziônista ahitana kômandô nomen' ny Britanika fiadiana, ary lasa anisan' ny manamboninahitra voalohany amin' ity rafitra ity tamin' ny taona 1947. Izy koa dia anisan' ireo tanora indrindra tamin' ny kômandin' ny brigadin' ny tafika israeliana izay mbola tanora, noforonina tamin' ny taona 1948. Nandray anjara tamin' ny Ady Israeliana-Arabo tamin' ny taona 1948-1949 izy, avy eo dia nahazo ny laharana jeneralin' ny brigady tamin' ny taona 1954 ary anisan' ny kômandin' ny fiarovam-pirenena nanohitra ny Ejiptiana nandritra ny Ady momba ny Lakandranon' i Suez tamin' ny taona 1956.

Tamin’ ny naha jeneralin' antoko miaramila azy tamin’ ny taona 1957, dia komandin’ ny tafika tany amin’ ny tapany avaratr’ i Israely izy. Izy no Lehiben' ny Etamazaoron' ny Tsahal nanomboka tamin' ny taona 1964. Tamin' ny fotoan' ny Ady Enina Andro dia nitarika ny tafika Israeliana izay nandresy ny tafika ejipsiana sy siriana ary jôrdaniana izy. Tamin' ny taona 1967 izy no iray amin' ireo Isiraeliana voalohany nitsangana teo amin' ny Rindrin' ny Fitomaniana na Rindrina Andrefana.

Niala tao amin' ny tafika izy avy eo, voatendry ho ambasadôro any Etazonia tamin' ny taona 1968 ary niditra tao amin' ny sehatry ny pôlitika nanomboka tamin' ny taona 1973, ary lasa olo-malaza tao amin' ny Antokon' ny Mpiasa. Minisitry ny Fiarovana izy hatramin' ny 1984 ka hatramin' ny 1990, avy eo hatramin' ny 1992 ka hatramin' ny 1995, ary praiminisitra israeliana hatramin' ny 1974 ka hatramin' ny 1977 avy eo hatramin' ny 1992 ka hatramin' ny namonoana azy tamin' ny taona 1995 nataon' ny Jiosy mahery fihetsika ara-pivavahana iray.

Tamin' ny taona 1994, nahazo ny loka Nobel ho an' ny fandriam-pahalemana izy, indrindra noho ny anjara asany mavitrika tamin' ny sonia ireo Fifanarahana tao Oslo tamin' ny taona 1993.