Tafi-Piarovan' i Israely

(tonga teto avy amin'ny Tsahal)

Ny Tafi-Piarovan' i Israely, izay antsoina amin' ny fanafohezan-teny hebreo hoe Tzahal na Tsahal koa, dia ny tafiky ny Fanjakan' i Israely. Atao hoe צְבָא הַהֲגָנָה לְיִשְׂרָאֵל / Tsva ha-Hagana le-Yisra'el (ara-bakiteny "ny Tafika Fiarovana ho an' ny Israely"), izay hafohezina amin' ny hoe צה״ל / Tzahal naTsahal, izy amin' ny teny hebreo.

Izy io dia misy sampana telo: ny Tafika an-tanety israeliana (זרוע היבשה) sy ny Tafika ana habakabaka israeliana (זְרוֹעַ הָאֲוִיר וְהֶחָלָל / Zroa HaAvir VeHahalal) ary ny Tafika an-dranomasina israeliana (חיל הים הישראלי / Ḥeil HaYam HaYisraeli). Ny Tsahal dia tarihin' ny lehiben' ny etamazaoro jeneraly, izay eo ambany fahefan' ny minisitry ny fiarovana israeliana.