Ny kabaro dia zavamaniry avy any Amerika, mitovitovy amin’ ny tsaramaso. Mila orana ny fandatsahana ny voan-kabaro hambolena. Maharitra 190 ka hatramin’ ny 210 andro ny fambolena azy. Ambolena any amin' ny tany mafana izy ary hanina toy ny tsaramaso. Atao hoe Phaseolus lunatus ny anarany ara-tsiansa. Ao amin’ ny finanaviana Fabaceae na Leguminosae izy.

Voan-kabaro

Eto Madagasikara dia ambolena amin'ny toetany maina, eo anelanelan' Antsalova sy ny farany atsimo amin’ ny Nosy ny kabaro, ary tsy manangona fazeôlonatinina, izay gliokôzy mamokatra asidra sianidrika rehefa levonina anaty rano. Any amin'ny faritra mando, any amin’ny morontsiraka atsinanana, dia manangona fazeôlonatinina ny kabaro ary mety hampidi-doza ny fihinanana azy. Ity karazany misy asidra ity dia manana ny anarany manokana amin’ny teny malagasy: kalamaka.

Azo atao laoka sady azo anamboarana biskitra sy lafarinina ny kabaro.

Jereo koa hanova