Fabaceae
Ny Fabaceae na Leguminosae dia fianakavian-javamaniry amin' ny filaharana Fabales. Anisan' ny fianakavian-javamaniry manan-danja indrindra amin' ny zavamaniry misy voniny izy ireo, fahatelo aorian' ny Orchidaceae sy ny Asteraceae raha ny karazana ao aminy no heverina. Misy sokajiny 765 eo ho eo ny Fabaceae izay misy karazany 19 500 mahery.
Amin' ny lafiny ara-toekarena, ny Fabaceae no fianakavian-javamaniry faharoa lehibe indrindra aorian' ny Poaceae, sady loharanom-prôteinina tena ilaina amin' ny sakafo ho an' ny olombelona sy ny biby.
Ny zana-pianakaviana telo fantatra dia ireto manaraka ireto: ny Mimosoideae sy ny Caesalpinioideae ary ny Faboideae na Papilionoideae.