Fomba fiasa ara-tantara amam-pitsipiteny

(tonga teto avy amin'ny Tsikera ara-tantara amam-pitsipiteny)

Ny fomba fiasa ara-tantara amam-pitsipiteny na tsikera ara-tantara amam-pitsipiteny dia fomba fiasa hermeneotikan' ny Baiboly kristiana izay miezaka mitady ny hevitry ny mpanoratra Baiboly tany am-boalohany, izay tiany hampitaina amin' ny mpamaky tamin' izany fotoana izany, amin' ny fampiasana, araka izay azo atao, ny zava-misy manodidina ara-tantara nipoiran' ilay lahatsoratra.

Araka ity fomba fiasa ity, raha mifototra amin' ny famakafakana ny firafitra ara-pitsipiteny ny andalana (miaraka amin' ny fiheverana ny kolontsaina sy ny tantara ary ny karazana literatiora nanoratana azy) dia toa nikasa ny hampita fitantarana momba ny zava-nitranga tena nisy tokoa ny mpanoratra. dia tokony horaisina ho fanehoana ny tantara ny lahatsoratra; tokony hadika amin' ny fomba ara-tandindona, na amin' ny fomba ara-tononkalo, na amin' ny fanoharana fotsiny ny andalan-tsoratra masina raha araka ny fahatakarana tsara indrindra, izany no tian' ny mpanoratra hampitaina amin' ny mpihaino tany am-boalohany. Io no fomba fiasa voalohany anaovana fandikana hevitra oraisin' ny mpamakafaka prôtestanta maro mpitahiry ny nentin-drazana izay mandà ny fomba famakafakana ara-tantara aman-tsikera amin' ny ambaratonga samihafa (avy amin' ny fandavana tanteraka ny famakafakana ara-tantara aman-tsikera ataon' ny Prôtestanta fôndamentalista sasany ka hatramin' ny fanekena voalanjalanja azy io amin' ny Eglizy katôlika rômana hatramin' ny taratasy ensiklika Divino afflante Spiritu), izay mifanohitra amin' ny fiankinan-doha be loatra amin' ny famakafakana ara-tantara aman-tsikera amin' ny fandalinana ny Baiboly eo amin' ny ambaratonga akademika.

Ny fomba fiasa ara-tantara amam-pitsipiteny dia nipoitra tao anatin' ny Andron' ny Fahazavana (anglisy: Age of Enlightenment; frantsay: siècle des Lumières) tany amin' ny Tontolo Tandrefana. Talohan' izany, ny kristianisma tamin' ny Andro Antenatenany dia nirona amin' ny fanantitranterana ny hevitra efatry ny Soratra Masina: ny ara-bakiteny, ny ara-panoharana, ny ara-môraly ary ny anagôzika; na izany aza, ny fandikana dia apatraka ambany fahefan' ny toniam-pampianaran' ny Fiangonana. Ny dingana izorana amin' ny famaritana ny hevitry ny lahatsoratra tany am-boalohany dia amin' ny alalan' ny fandinihana ny lafiny ara-pitsipiteny sy ara-pandrafetam-pehezanteny, ny zava-misy manodidina ara-tantara, ny karazana literatiora ary koa ny fiheverana teôlôjika (kanônika). Na dia tsy misy ny hermeneotika kristiana ôrtôdôksa tatsinanana, ny manam-pahaizana ôrtôdôksa dia mirona amin' ny famakiana ara-panahy sy ara-panoharana ny Baiboly, sady mampitaha amin' ny hevitra avy amin' ny Rain' ny Fiangonana sy ny lovam-pampianaran' ny Fiangonana.

Jereo koa hanova