Fitsikerana endrika

Ny fitsikerana endrika dia fomba fiasa anaovana fitsikerana ny Baiboly, izay noforonina tamin' ny fiandohan’ ny taonjato faha-20, sy manasokajy ny andian-tsoratra masina anaty lasitra arakaraka ny karazan-dahatsoratra ary avy eo dia manandrana mametraka ny karazany tsirairay ao amin' ny vanim-potoana nampitana azy am-bava. Ny fitsikerana endrika dia ny fiezahana hamantatra ny loharano voasoratra nenti-nanoratra ny Baiboly hatrany amin' ny vanim-potoan' ny lovantsofina am-bava, ary hanavahana ireo endri-dahateny am-bava izay niditra tao amin' ny loharano voasoratra. Amin' ny maha ezaka mamantatra ny tantaran' ny lovatsofina azy dia atao hoe "fitsikerana lovantsofina" ny fitsikerana endrika.

Ity karazana fandalinana ity, izay hita fa tsy tena toy ny sekoly famakafakana fa toy fampitodihana ny fikarohana, dia manana an' i Hermann Gunkel (1862-1932) ho mpialoha lalana, izay nanomboka ity fomba fanadihadiana ity tao amin' ny asany momba ny Genesisy sy ny Salamo.

I Hermann Gunkel (1862-1932), i Martin Noth, i Gerhard von Rad ary ny manam-pahaizana hafa tany am-boalohany dia namolavola fitsikerana endrika momba ny fandalinana ny Testamenta Taloha; nampiasain' izy ireo izany mba hanampiana ny petra-kevitra ara-tahirinkevitra amin' ny fiheverana ny lovantsofina am-bava ifotorany. I Karl Ludwig Schmidt sy i Martin Dibelius (1883-1947) ary i Rudolf Bultmann no nampihatra ny fitsikerana endrika tamin' ny Filazantsara tatỳ aoriana.

Ny sanganasa lehibe momba izany, izay saika niara-niseho tany Alemaina, dia ny Die Formgeschichte des Evangeliums nataon' i Martin Dibelius, navoaka tao Tübingen tamin' ny taona 1919, ny Der Rahmen der Geschichte Jesu nataon' i Karl Ludwig Schmidt, navoaka tany Berlin tamin' ny taona 1919, ary ny Die Geschichte der synoptischen Tradition nataon' i Rudolf Bultmann, navoaka tao Göttingen tamin' ny taona 1921.

Na dia nahazo fanohanana be aza ny fitsikerana endrika tamin' ny fandalinana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao nandritra ny taonjato faha-20 dia nitombo ny fanakianana teo amin' ny fiarahamonina akademika tao anatin' ireo taompolo farany ary nihena ny heriny eo amin' ny sehatry ny famakafakana Baiboly.

Jereo koa hanova