Trimôrfika Prôtenôia

Ny Prôtenôia Trimôrfika na Endrika Telon' ny Eritreritra Voalohany dia lahatsoratra gnôstika setiana anisan' ny apôkrifan' ny Testamenta Vaovao. Ny hany kôpia sisa tavela dia avy amin' ny Vondrom-bokin' i Nag Hammadi (Codex XIII). Ny lahatsoratra dia manoritsoritra fidinana telo mampiasa ny feon' i Barbelô. Ny feo no loharanon' aina sy fahalalana ary eritreritra voalohany. Voalaza fa manana anarana telo sy maha lehilahy telo ary hery telo ilay feo, ary voalaza fa sady lahy no vavy. Manazava izany fa nidina i Sôfia mba hanampy amin' ny fanoherana ny drafitry ny demony Ialdabaôta sy ny arkôna na arkônta. Ny mpiteny dia manasa ny mpamaky mba hiditra ao amin' ny fahazavana lavorary sy handray ny voninahitra sy ny fametrahana amin' ny fiandrianana ary ny batisa.