I Ialdabaôta, izay fantatra amin' ny anarana hoe Jaldabaôta koa, dia andriamanitra ratsy fanahy sy demiorga (mpamorona izao tontolo izao ara-materialy) araka ny fampianaran' ny sekta sy hetsika gnôstika isan-karazany (toy ny Nikôlaita sy ny Setiana), izay indraindray aseho ho toy ny bibilava milohan-diona. Antsoina amin' ny teny kôpta hoe ⲒⲀⲖⲦⲀⲂⲀⲰⲐ / Ialtabaôth, na amin' ny teny latina hoe Ialdabaoth, na amin' ny teny grika kôine hoe Ιαλδαβαώθ / Ialdabaóth izy. Voalaza fa izy no andriamani-tsy izy izay mitazona ny fanahy ho voafandrika ao amin' ny vatana ara-nofo, migadra ao amin' izao rehetra izao materialy. Noheverina fa mitovy amin' i Iahveh na Jehovah hebreo sy amin' i Krônôsy grika izy ary ny amin' ny andriaantry ny kôsmôgônia hafa izy.