Arkônta (gnôstisisma)

Ny arkônta na arkôna, ao amin' ny gnôstisisma sy ny fivavahana mifandray akaiky aminy, no mpanorina an' izao rehetra izao materialy. Amin' ny teny grika izy ireo dia atao hoe ἄρχων / árchōn (raha tokana) na ἄρχοντες, árchontes (raha maro). Ao amin' ny Arkôntika, ny Ôfita, ny Setiana ary ao amin' ny asasoratry ao amin' ny tranombokin' i Nag Hammadi, ny arkôna na arkônta dia mpitondra, izay samy mifandray amin' ny planeta fito (Masoandro, Volana, Venosy, Jopitera, Marsa, Merciora ary Satiorna); manakana ny fanahy tsy hiala amin' ny tontolo ara-materialy izy ireo. Ny hevitra ara-pôlitikan' ny anaran' izy ireo dia maneho ny fandavana ny rafi-pitondrana, izay heverina ho tsy tonga lafatra sy manana fahafahana hahazo ny tena famonjena. Ao amin' ny manikeisma, ny arkônta dia mpitondra fanjakana ao anatin' ny "Fanjakan' ny Haizina", izay miaraka mandrafitra ny "Andrianan' ny Haizina". Ao amin' ny Hipôstasin' ny Arkônta (amin' ny teny kôpta: ⲧⲑⲩⲡⲟⲥⲧⲁⲥⲓⲥ ⲛ̄ⲛ̄ⲁⲣⲭⲱⲛ), ny fisehoana ara-batan' ny arkônta dia lazaina ho hermafrôdita (sady lahy no vavy), ary ny tarehiny dia tarehim-biby.