Transendentalisma (amerikana)

(tonga teto avy amin'ny Transendentalisma amerikana)

Ny transendentalisma dia hetsika ara-diteratiora, ara-panahy, ara-kolontsaina ary ara-pilôzôfia izay nipoitra tany Etazonia, indrindra tany New England, nandritra ny tapany voalohany amin' ny taonjato faha-19. Anisan' ny finoana fototra ao amin' ny Transendentalista ny hatsarana ao amin' ny maha olombelona ny olombelona sy ny ao amin' ny natiora (na zavaboary). Mino ihany koa izy ireo fa ny fiarahamonina sy ny andrim-piarahamonina — indrindra ny andrim-pivavahana sy ny antoko pôlitika — dia manimba ny fahadiovan' ny olombelona, ​​ary ny fiarahamonina marina dia tsy azo atsangana afa-tsy avy amin' ny olona mizaka tena sy mahaleo tena (tsy miankin-doha).

Ralph Waldo Emerson