Tetiandro iraniana

Ny tetiandro iraniana dia ireo tetiandro nampiasaina nandritra ny taonarivo roa ao Iràna, izay fantatra koa amin' ny hoe Persia. Atao hoe گاه‌شماری ایرانی‎ / Gāh-Shomāri-ye Irāni) ireo tetiandro ireo amin' ny teny parsàna. Ny tetiandro iraniana no tetiandro mirakitra tantara lava indrindra amin' ny tantaran' ny olombelona ka maro ny fanovana nifanesisesy mba hampifanaraka azy amin' ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny amin' ny toetrandro ary amin' ny fivavahana. Tetiandro manara-masoandro ny teniandro iraniana. Ny taona iraniana dia matetika manomboka amin' ny 21 Marsa amin' ny tetiandro gregôriana.

Jereo koa hanova