Tarehin-tsoratra latina

Ny tarehin-tsoratra latina na dia tarehin-tsoratra avy amin' ny abidy latina. Litera ao amin' ny tarehin-tsoratra latina, ohatra, no mamorona ny abidy malagasy amin' izao fotoana izao. Mampiasa ireo tarehin-tsoratra ireo hamoronany ny abidiny ny fiteniny ny ao Eorôpa Andrefana sy Eorôpa Avaratra ary Eorôpa Afovoany. Mampiasa azy koa ireo firenena ivelan' i Eorôpa indrindra ireo firenena nozanahin' ny Eorôpeana, anisan' izany ny ao Amerika Avaratra sy Atsimo sy ny aty Afrika ary ny ao Ôseania. Ireto avy ny litera fototra ao amin' ny vondron-tarehin-tsoratra latina amin' ny endriny soramadinika: a - b - c - d - e - f - g - h - i - j - k - l - m - n - o - p - q - r - s - t - u - v - w - x - y - z. Tamin' ny taona 2002 dia ny 39 %n' ny mponina maneran-tany no mampiasa ny tarehin-tsoratra latina[1] [2].

Jereo koa hanova

Loharano hanova

  1. Yoshiki Mikami, "Global digital-divide among scripts", VishwaBharat, no 7,‎ Oktobra 2002, p. 1
  2. Mikami Yoshiki et Shigeaki Kodama, "Mesurer la diversité linguistique sur le Web", dans Laurent Vannini et Hervé Le Crosnier, Net.lang : réussir le cyberespace multilingue, 2012, 125‒147 p.