Taratasin' i Lentolosy

Ny Taratasin' i Lentolosy dia epistily na taratasy tsyfanta-piaviana nipoitra voalohany tany Italia tamin' ny taonjato faha-15. Voalaza fa nosoratan' ny manam-pahefana rômana atao hoe Pobiosy Lentolosy (Publius Lentulus) ho an' ny Senata Rômana, nitovy fotoana nahavelomana amin' i Jesoa na Jesosy ity taratasy ity, ary manome fanazavana momba ny toetra ara-batana sy ny maha izy an' i Jesoa. Araka ny Asan' i Aogosto Masina dia kônsoly rômana tamin' ny fotoana nanapahan' i Aogosto (27 tal. J.K. - 14 taor. J.K.) i Publius Lentulus, izay noheverina ho governoran' i Jodea na Jodia teo talohan' i Pôntio Pilato na governoran' i Siria.

Ny Taratasin' i Lentolosy (ankavia) sy sarin' i Jesoa. Tranombakokan' ny trano fihibohana Mb Katerina

Ny fanoritsoritana voalohany ao amin' ny literatiora momba an' i Kristy, izay azo antoka fa avy amin' ny fampitana am-bava sy mifandray amin' ny angano, dia tsy nisy talohan' ny taonjato fahenina. Ity Taratasin' i Lentolosy ity, izay asasoratra apôkrifa nosoratana tsy talohan' ny taonjato faha-13, no malaza indrindra amin' izy ireo. Mety ho nisy fiantraikany teo amin' ny fomba nampisehoana an' i Jesoa ara-batana teo amin' ny zavakanto ilay taratasy.