Tandrok' i Afrika

(tonga teto avy amin'ny Tandrok'i Afrika)

Ny Tandrok' i Afrika dia anarana iantsoana ny saikanosin' i Afrika Atsinanana izay hita avy any amin' ny morontsiraka atsimon' ny Ranomasina Mena hatrany amin' ny morontsiraky ny Ranomasin' i Arabia, ka mandalo ny Hoalan' i Adena sady miendri-tandroka rinôserôsy. Io teny io dia manondro indrindra ny faritra misy ireto firenena efatra ireto, dia i Sômalia sy i Jibotý sy i Etiôpia ary i Eritrea. Manana velarana mirefy 2 000 000 km2 eo ho eo ny Tandrok' i Afrika sady misy mponina miisa 106 200 000 eo ho eo, ka ny 90 000 000 dia ao Etiôpia, ny 10 000 000 ao Sômalia, ny 6 000 000 ao Eritrea ary ny 700 000 ao Jiboty.

Ny Tandrok' i Afrika

Ny Tandrok' i Afrika dia atao hoe Geeska Afrika amin' ny fiteny somaly, የአፍሪካ ቀንድ / yäAfrika Qänd amin' ny fiteny amharika, ቀርኒ ኣፍሪቃ / K’erinī Afirīka amin' ny fiteny tigrinia ary القرن الأفريقي / al-Qarn al-'Afrīqī amin' ny fiteny arabo.

Jereo koa hanova

Fizaram-paritra ao Afrika:

Faritra hafa: