Ny Soteana dia mety vahoaka semitika izay niaina tany Atsinanana sy tany Kanaana tamin' ny taona 1350 tal. J.K. ka taty aoriana dia nonina tany Babilônia. Resahina ao amin' ny taratasin' i Amarna miisa valo amin' ny 382 izany vahoaka izany.

Atao hoe Sutī’ū izy ireo amin' ny fiteny akadiana, izay mety avy amin' ny teny amôrita hoe Šetī’u.

Toy ny Habiro izy ireo izay nanao ny asan' ny mpikaraman' ady, ka indraindray nantsoina hoe Ahlamo (Ahlamu). Voatanisa ao amin' ireo tahirinkevitra tao amin' ny Empira Asiriana Afovoany (taona 1395-1075 tal. J.K.) izy ireo ka isan' ireo voanjo asiriana nonina tao amin' ny tanànan' i Emara izay mifanandrify amin' ny faritra avaratra-atsinanana ao Siria ankehitriny. Niditra tany Babilônia izy ireo tamin' ny taona 1100 tal. J.K. any ho any, toa an' ireo vahoaka semitika hafa (ny Kaldeana sy ny Arameana). Nisy fotoana namaboan' ny Asiriana azy ireo, toy ny sisa rehetra tamin' i Babilônia.

Jereo koa hanova