Sosom-pikoriana
Habakabaka ivelany (> 10.000 km) | |||
Ivelan-tsosondrivotra (800 - 10.000 km) | |||
Sosom-pana (80 - 800 km) | |||
Soson-drio (50 - 500 km) | |||
Soson-drivotra afovoany (50 - 80 km) | |||
Soson-drivotra ambany (11 - 50 km) | Soson'ôzônina (10 - 50 km) | ||
Sosom-pikoriana(0 - 11 km) |
Ny sosom-pikoriana (anglisy: troposphere) dia ny soson'ny soson-drivotra ahitana ny ankabetsahan'ny rahona. Io no sosona ambany indrindra. Ny mahatokana ny sosom-pikoriana dia ny fidinan'ny mari-pana arakaraka ny haavo ary arakaraka ny laharam-pehintany. Ny taham-pidinan'ny mari-pana ao amin'ny sosom-pikoriana dia 6,4°C isaky ny 1.000 metatra.
Ny sosom-pikoriana dia valopolo isanjaton'ny lanja manontolon'ny soson-drivotry ny Tany. Ao anatin'io sosona io no isidinan'ny fiaramanidina mitati-pandeha. Ao ihany koa no ahitana ireo zava-mitranga vokatry ny toe-tany. Ao amin'io sosona io no ikorianan'ny rivotra ary mahatonga ny toe-tany ho samihafa eto amin'izao tontolo izao.