Habakabaka ivelany

Soson-drivotry ny tany
Habakabaka ivelany (> 10.000 km)
Ivelan-tsosondrivotra (800 - 10.000 km)
Sosom-pana (80 - 800 km)
Soson-drio
(50 - 500 km)
Soson-drivotra afovoany (50 - 80 km)
Soson-drivotra ambany (11 - 50 km) Soson'ôzônina
(10 - 50 km)
Sosom-pikoriana(0 - 11 km)

Ny habakabaka ivelany dia ny toerana ao anelanelan'ny zavatra an'habakabaka toa ny tany. Izy io dia tsy tena fona fa ahitana voanjavatra vitsivitsy toa ny plasma, hidrozenina, heliôma na taratra ara-kanjanandrianaratra, neotrinô, vovoka ary tanamaherin-kabakabaka. Ny mari-pana ambany indrindra amin'izy io dia 2,7 kelvin na –270,45°C. Ny zavatra tsotra ao amin'ny habakabaka ivelany dia plasma izay manan-kakitrok'isa latsaky ny atôma hidrozenina iray isaky ny metatra toratelo ary mari-pana miisa tapitrisa kelvin ao amin'ny habakabaka anelanelam-bondronkintana; lasa ahitana kintana sy vondron-kintana ny toerana ahitana zavatra be kokoa. Amin'izao rehetra izao dia 10%n'ny lanja fotsiny no fanta-piaviana. Antsoina hoe zavatra maizina ny sivifolo isan-jato sisany izay mifandray amin'ny alalan'ny herim-pifanintonana fa tsy amin'ny herin'anjanandrianaratra.

Tsy misy ny faritra iantombohan'ny habakabaka ivelany. Na dia izany aza dia efa nifanarahana fa 100 km (tsipik'i Kármán) miala amin'ny haavon-dranomasina no iantombohany.

Jereo koa hanova