Ranomasina Karaîba
(tonga teto avy amin'ny Ranomasin' ny Antilia)
Ny Ranomasina Karaîba na Ranomasin' ny Karaîba na Ranomasin' ny Antilia dia ranomasina ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, ao atsinanan' i Amerika Afovoany sy ao atsimon' ireo Antilia Lehibe. Manana habe mirefy 2 415 km avy atsinanana miankandrefana izy ary antsasak' izay avy avaratra mianatsimo, sady manana velarana mirefy 2 640 003 km2.
Ny anaran' io ranomasina io dia avy amin' ny anaran' ireo vahoaka atao hoe Karaîba izay nonina tao amin' io faritra io talohan' ny fananiham-bohitra nataon' ny Espaniôla tamin' ny taonjaro faha-15.
Ny fanjakana sy nosy lehibe manamorona ny Ranomasin' ny Karaîba dia:
- i Jamaîka ao afovoany, izay somary ao avaratra-avaratra-andrefana;
- i Meksika (Quintana Roo) sy i Kioba ao avaratra-andrefana;
- i Nikaragoa sy i Hôndorasy ary i Belizy ao andrefana;
- i Panama sy i Kôsta Rika ao atsimo-andrefana;
- i Kôlômbia ao atsimo;
- i Venezoela ao atsimo-atsinanana ary ireo Antilia Madinika atsimo (i Grenada sy i Trinite-sy-Tôbagô) ao atsimo-atsimo-atsinanana;
- ireo Antilia Madinika afovoany (Goadeloupe, Dôminika, Martinika, Barbady ary i Santa Losia) ao atsinanana;
- I Pôrtô Rikô, ireo nosy Virgin Islands an' i Etazonia, ireo nosy Virgin Islands britanika ary i Antigoa sy Barboda ao atsinanana-avaratra-atsinanana;
- ny nosy Hispaniôla (Haity sy ny Repoblika Dôminikana) ao avaratra-atsinanana.