Parti Social Démocrate Malgache

(tonga teto avy amin'ny Parti Social Démocrate de Madagascar)

Ny Parti Social Démocrate (PSD) na Parti Social Démocrate de Madagascar et des Comores, izay niova anarana hoe Parti Social Démocrate Malgache, taty aoriana, dia antoko pôlitika eto Madagasikara, niorina tamin' ny taona 1956 tao amin' ny distrikan' i Majunga (Mahajanga). Nitarika azy i Philibert Tsiranana, izay mpikambana tao amin' ny Antenimieram-Pirenena frantsay. Niditra tao amin' ny Section française de l'Internationale ouvrière (SFIO) i Tsiranana, ary nanampy tamin' ny fananganana ny PSD ny governemanta frantsay. Ity antoko ity dia nanao fampielezan-kevitra ho an' ny fifandraisana mitohy amin' i Frantsa tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka tamin' ny taona 1958. Niara-niasa tamin' ny Union Socialiste Democratique de Madagascar, ka namorona ny Cartel Republicain ny PSD.

Philibert Tsiranana tamin' ny taona 1960

Tatarany hanova

Fahaterahany hanova

Ny Parti des Déshérités de Madagascar (PADESM), izay nanambatra ny Tanindrana sy ny taranaky ny andevo merina (Mainty enin-dreny) dia nisdra fahasahirana noho ny fisaratsarahana anatiny. Nisaraka ny ankolafy mpandala fandrosoana ka nanangana ny PSD tao Mahajanga tamin' ny Desambra 1956, teo ambany fitarihan' i Philibert Tsiranana, mpampianatra avy amin' ny foko tsimihety, sy André Resampa. I Philibert Tsiranana tamin' izany dia mbola mpikambana tao amin' ny Antenimieram-pirenena frantsay talohan' ny naha filohan' i Madagasikara mahaleo tena azy teo ambany fiahian' i Frantsa.

Fanjakazakany sy fihalemeny hanova

Ny PSD dia niitatra haingana tamin' ny alalan' ny fampidirana ao anatiny ireo antoko madinika maro natsangan' ny Tanindrana. Navela ny antoko vitsy an' isa handray anjara amin' ny raharaham-pirenena nefa ny lalàm-panorenana dia nanome vahana ny rafitra ahafahan' ny antoko mpandresy manao ampihimamba ny zavatra rehetra ka nahatonga ny mpanohitra tsy ho afa-mandray anjara amin' ny fitondrana. Tahaka ny mpitondra afrikana hafa nandritra ny vanim-potoana voalohany tamin' ny fahaleovan-tena, dia nanara-maso ny fanamafisana ny fahefan' ny antokony manokana i Tsiranana ka niteraka fahavoazana ho an' ny antoko hafa izany.

Lany ho filoham-pirenena intelo i Tsiranana. Niorina ny antoko pôlitka Mouvement National pour l’Indépendance de Madagascar (Monima) izay nitarika ny fikomian’ ny tantsaha tany amin’ ny faritanin' i Toliara. I Monja Jaona, no mpamorona sy mpitarika izany

Tamin' ny fiandohan' ny taona 1972, dia nisy hetsika nataon' ny mpianatra tao Antananarivo. Tamin' ny fiandohan' ny volana Mey, ny PSD dia nanao izay hampitsaharana ny fitokonan' ny mpianatra. Mpiasa amin’ ny orinasa, mpiasam-panjakana, tantsaha ary tanora tsy an' asa maro tao Antananarivo no nanatevin-daharana ny fitokonan’ ny mpianatra izay niitatra hatrany amin’ ireo faritany. Tamin' ny 13 Mey da nitifitra ny mpanao fihetsiketsehana ny Tafika Repoblikana ho an' ny Fiarovana (Force Républicaine de Sécurité – FRS).

Faharavany sy fiovany anarana hanova

Taorian' ny fikomiana nataon' ny vahoaka tamin' ny 13 Mey 1972, izay nanomboka tamin' ny fitokonan' ny mpianatra, dia ny noravana ny Force Républicaine de Sécurité (FRS) izay tokony hamerina ny filaminana, tamin' ny fialan' i Tsiranana amin' ny fitondrana. Rava ny PSD taorian' ny fisamborana ny mpikambana tao aminy, indrindra fa i Fatima Achimo, ary lasa Rassemblement pour le Socialisme et la Démocratie (RPSD). Tamin’ ny taona 1975 no nandimby an-drainy tao amin'ny antoko RPSD, i Pierre Tsiranana, lahimatoan' i Tsiranana, ka i Évariste Marson sy i André Resampa ary i Jean Eugène Voninahitsy no sekretera jeneralin’ ny faritra misy azy.

Fipoirany indray taty aoriana hanova

 
Ruffine Tsiranana

Tamin' ny volana Marsa 1990 dia naverin' ny fitondrana Didier Ratsiraka ho ara-dalàna indray ny antoko PSD. i Ruffine Tsiranana no nandimby ny anadahiny izay maty tamin' ny 19 Nôvambra 2014 tamin' ny faha-63 taonany. I Ruffine Tsiranana kosa indray nanolotra tamin' i Éliana Marie Bezaza, zanaky ny mpiray tampo aminy, hisahana ny andraikitry ny sekretera jeneraly tamin' ny volana Jolay 2016.

Jereo koa hanova