Mouvement National pour l'Indépendance de Madagascar

Ny Mouvement National pour l'Indépendance de Madagascar na Madagasikara Otronin' ny Malagasy, izay hafohezina amin' ny hoe MONIMA dia antoko pôlitika malagasy natsangan' i Monja Jaona tamin' ny Jolay 1958, iray amin' ireo mpanentana ny tolom-bahoaka malagasy tamin' ny taona 1947 sady nasiônalista tsy nanaiky lembenana. Ny fandaharan' asany dia ny famongorana ny fanjanahan-tany, ny fanoherana ny imperialisma miaraka amin' ny fironana maôista tamin' ny taona 1960. I Monja Roindefo, zanak' i Monja Jaona ihany, no filohany ankehitriny ary i Gabriel Rabearimanana no sekretera jeneraly.

Tamin' ny 1 Avrily 1971, ny MONIMA dia nitarika fikomiana teo amin' ny tantsaha izay niteraka krizy pôlitika goavana teto Madagasikara. Nanana anjara toerana lehibe tamin' izany fahasahiranana izany ny MONIMA izay nitarika ny fianjeran' ny filoha Philibert Tsiranana tamin' ny taona 19721. Iray amin' ireo mpitarika azy, Charles Ravoajanahary, no natao sesitany tany Nosy Lava tamin' ny 1971 izay tsy niverina ny taona manaraka taorian' ny nionganan' i Tsiranana.

Nandritra ny kôngresy tamin' ny Novambra 1976 dia nanalavitra ny fitondrana ny MONIMA, nitaky ny hampiharana ny safidim-bahoaka sôsialista amin' ny alalan' ny fanadiovana ny fitantanan-draharaha sy ny fandaminana marina ny "Manda tehezan' ny Revolisiona", araka ny voafaritry ny lalàm-panorenana.

Tamin' ny taona 2007 dia nanangana fiaraha-miasa tamin' ny antoko Tambatra notarihin' i Pety Rakotoniaina sy ny antoko Manaovasoa ny MONIMA tamin' ny anaran' ny hoe TMM. Nanomboka tamin' ity fifidianana tamin' ny taona 2007 ity anefa dia tsy misy solontena ao amin' ny Antenimieram-pirenena eto Madagasikara intsony ny MONIMA. Tamin' ny taona 2013 dia nanomana ny fifidianana ny MONIMA. Ny volana Jolay 2013 no nankalazaina ny faha-55 taonany.

Jereo koa hanova