Mpisolo tompon-javatra

Ny mpisolo tompon-javatra dia teny ao amin' ny sokajin' ny mpisolo izay mitovy lenta am-pehezanteny amin' ny fikambanan' ny anarana sy ny mpamaritra tompon-javatra ka ampiasaina mba tsy hamerena-manonona ny "tompon-javatra" sy ilay "zavatra ananana". Mifandray amin' ny mpisolo tena ny mpisolo tompon-javatra ka azo atoko araka ny fanasokajiana ny mpisolo tena. Ny teny anglisy dia manana mpisolo tompon-javatra: mine, ours, yours, his, hers, its, theirs. Ny teny frantsay kosa manana ny mien, mienne, miens, miennes, tien, tienne, tiens, tiennes, sien, sienne, siens, siennes, nôtre, nôtres, vôtre, vôtres, leur, leurs. izay matetika ialohavan' ny mpanoritra le, la na les. Ny teny malagasy dia mampiasa ny hoe ahy, antsika, anay, anao, anareo, azy.

Jereo koa

hanova