Ny mpampiankina dia teny na andian-teny fohy izay ampiasaina hampifandraisana teny na fehezankevitra roa mba hanehoana ny fifampiankinan' izy ireo ara-pifehezan-teny sy ara-keviteny nefa izy ireo tsy mitovy anjara asa. Ny teny na fehezankevitra ampidirin'ny mpampiakina dia matetika mitana anjara asa fameno milaza antony na vokany na tanjona na fepetra sns. Raha teny no ampiraisina amin' ny alalan' ny mpampiankina dia atao hoe mpampiankin-teny ilay mpampiankina, fa raha fehezankevitra kosa dia atao hoe mpampiankina fehezankevitra ilay mpampiankina.

Jereo koa hanova