Mpamaritra manontany
Ny mpamaritra manontany dia teny ao amin' ny sokajin' ny mpamaritra izay ampiraisina amin' ny anarana mba hoenti-manontany ny mombamomba ilay zavatra tondroina amin' io anarana io. Mitovy lenta amin' ny mpisolo manontany ny fikambanan' ny mpamaritra manontany amin' ny anarana faritany.
Ny teny frantsay dia ahitana ny mpamaritra manontany hoe: quel, quelle, quels, quelles. Ny teny malagasy dia ahitana ny mpamaritra manontany hoe: iza, inona, oviana, aiza, ahoana, sns. Ny teny anglisy kosa manana ny hoe what sy ny which.