Wikipedia:Takelaka/9 2020: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Pejy voaforona amin'ny « vignette|200x200px|Artemisia annua (tapany ambony) Ny '''''Artemisia annua''''', izay antsoin'ny Malagasy koa amin'ny anarana F… »
 
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrika tamin'ity 1 Septambra 2020 à 22:18 ity

Artemisia annua (tapany ambony)

Ny Artemisia annua, izay antsoin'ny Malagasy koa amin'ny anarana nohagasina hoe Artemizià, dia karazana zavamaniry ao amin'ny fianakavian'ny Asteraceae, avy any Eorasia sy any Afrika Avaratra, izay efa nampidirina koa tany aloha be tao amin'ireo faritra manana toetany antonony ao Amerika, ary hatramin'ny taona 1991 dia nampidirina tao Afrika atsimon'i Sahara sy any Amerika Latina. Karazan-javamaniry madinika ny artemisia, izay ampiasaina amin'ny fitsaboana nentim-paharazana sinoa mba hiadiana amin'ny tazo sy ny virosy. Ny artemisia annua dia ahitana singa simika maro ka isan'izany ny artemizinina izay mahomby amin'ny ady atao amin'ny kantsentsitra sahala amin'ny Plasmôdiôma izay miteraka ny tazomoka. (tohiny...)