Mônôfizisma: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Pejy momba ny kristianisma
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 12 Oktobra 2018 à 18:38

Ny monofizisma na monofizitisma dia firehana ao amin'ny finoana kristiana izay manaiky ny maha Andriamanitra an'i Kristy, izay atao hoe Zanaka na ny Teny, nefa mampianatra ny tsy fananany natioran'olombelona fa natioran'Andriamanitra ihany. Natelin'ny natioran'Andriamanitra ao aminy ny natioran'olombelona. Mifanohitra amin'ny atao hoe diofizisma na diofizitisma ny monofizisma.

Fiforonan-teny

Ny teny hoe monofizisma dia fanagasiana ny teny grika hoe μονοφυσιτισμός / monophusitismos izay avy amin'ny teny hoe μόνος / monos "tokana" sy φύσις / phusis "natiora" na "fomba".

Foto-pampianaran'ny monofizisma

Ny zavatra notoheriny: ny nestorianisma

Niorina manodidina ny fanekem-pinoana nikeana ny foto-pampianarana kristiana nanjaka tamin'izay, izay nanekena ny fitoviam-pomban'ny Ray sy ny Zanaka sy ny fananan'ny Zanaka natioran'olombelona. I Eotikesy, izay nanohana ny monofizisma, dia nanambara fa tsy manana afa-tsy natiora tokana ny Zanaka, dia ny natioran'ny maha Andriamanitra azy. Notoheriny amin'izany ny nestorianisma izay fampianarana ny fananan'i Kristy persona roa, ka ny iray olombelona (i Jesosy) fa ny iray Andriamanitra (ny Teny). Izany dia nenti-nameno ny zavatra heveriny ho banga tao amin'ny fanekem-pinoana nikeana ny amin'ny natioran'i Kristy.

Ny fampianarany

Ho an'ny monofizisma dia tsy manana afa-tsy natiora tokana i Kristy, dia ny maha Andriamanitra azy. Ny samy monofizita dia misy zavatra tsy itovizany hevitra koa, dia ny amin'ny tsy mahamety lo ny vatan'i Kristy (talohan'ny nandaminan'izy ireo izany fifandirana izany talohan'ny fidiran'ny Arabo tao Siria sy Ejipta izay ahitana azy ireo betsaka). Nanomboka tamin'ny taona 560 dia nisy andiany fahatelo nipoitra, izay nihevitra ireo persona telon'Andriamanitra ho andriamanitra telo samy hafa. Fampianaran-diso izany hoy ireo firehana kristiana hafa rehetra.

Fanamelohana ny monofizisma

Ny konsily tao Kalkedona

Tamin'ny taona 451 dia nampanao konsily ny papa Leo I, dia ny konsily tao Kalkedona izay niezahana nampiravona ny firehana samihafa momba an'i Kristy, ka nandraikitra ny foto-pampianarana momba ny natiora roan'i Jesosy. Tsy nahafa-po ny mpomba ny monofizisma izany ka niotombo ny tsy fitovian-kevitra. Araka ny konsily tao Kalkedona dia sady Andriamanitra no olona ny Zanaka ka persona tokana nefa manana natiora roa izay tsy mifangaro sy tsy miova ary tsy mizara no tsy misaraka. Nohelohin'ny konsily tao Kalkedona ny monofizisma notarihin'i Eotikesy, tahaka ny nestorianisma izay nohelohin'ny konsily tao Efeso tamin'ny taona 431.

Ny konsily tao Konstantinopoly

Nanameloka ampahibemaso ny monofizisma ny konsily tao Konstantinopoly tamin'ny taona 680.

Fiangonana monofizita

Tao amin'ny Fiangonana kopta sy teo amin'ireo mpianatr'i Eotikesy avy any Konstantinopoly no tena nampatanjaka ny monofizisma. Noho izany dia napotraky ny Fiangonana Lehibe ka nisaraka taminy ireo monofizita tamin'ny taonjato faha-6.

Tamin'ny endriny atao hoe miafizisma dia ampianarin'ny Fiangonan'ny konsily telo ny monofizisma. Ireto avy ireo Fiangonana monofizita izay atao hoe koa Fiangonana tsy Kalkedoniana: ny Fiangonana apostolika armeniana, ny Fiangonana kopta ortodoksan'i Ejipta, ny Fiangonana kopta ortodoksan'i Etiopia, ny Fiangonana siriaka ortodoksa (na jakobita) ary ny Fiangonana sirianan'i India Atsimo.

Jereo koa: