Lohasahan' i Jordana

Ny Lohasahan' i Jordana dia faritra any Atsinanana Akaiky izay manana halava 120 km manaraka ny ony Jordana, avy any amin' ny Farihy Tiberiada any avaratra ka hatrany amin' ny Ranomasina Maty any atsimo. Mamaritra azy i Jôrdania sy i Israely ary i Jôrdania Andrefana (na Sisjôrdania) izay tany palestiniana voabodo. Ao amin' ny tapany afovoany amin' ny Lempona Jôrdaniana, izay manana halavana mirefy 420 km avy ao amin' ny Tendrombohitra Hermôna hatrany amin' ny Hoalan' i Aqaba no misy azy.

Endri-paritra ao amin' ny Lohasahan' i Jordana