Tendrombohitra Hermôna

Ny Tendrombohitra Hermôna dia sampahom-tendrombohitra farany atsimo amin' ny tandavan-tendrombohitra Anti-Libanona. Ny tampony dia mamaky ny sisintany manelanelana an' i Siria sy i Libàna ary 2 814 m ambonin' ny haavon' ny ranomasina, no avo indrindra any Siria. Ny lemaka atsimon' ny tendrombohitra Hermôna dia mipaka hatrany amin' ny faritra zanahin' ny Israeliana, i Golàna, izay misy ny toeram-pialan-tsasatra manana haavo ambonin' ny ranomasina 2 040 m.

Ny Tendrombohitra Hermôna

Amin' ny teny arabo io tendrombohitra io dia atao hoe جبل الشيخ / Jabal al-Shaykh na جبل حرمون / Jabal Haramun; amn' ny teny hebreo dia atao hoe אְְֶַֹןֹןֹן / Har Hermon.