Ny kilalaky dia karazana mozika sady dihy nentim-paharazan' ny Sakalavan' i Menabe (Faritra Menabe ankehitriny) any atsimo-andrefan' i Madagasikara, izay miely koa manerana ny Nosy sy any ivelany. Mozika nentim-paharazana tena mihetsiketsika natao handihizana amin' ny lanonana samihafa ny kilalaka ankehitriny na dia somary nilamindamina izany tany am-piandohany.

Dihy kilalaky

Fiaviany sy fivoarany hanova

Fiaviany hanova

Ny kilalaky dia nivoaka avy amin' ny fomban-drazana sakalava tamin' ny andron' ny fanjakà-mpanjaka, tany Menabe, any amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Madagasikara, ao amin' ny faritr' i Morondava. Dihy mamela dian-tongotra betsaka araka izay azo atao ny kilalaky ka mahatonga ny fahavalo, tamin' ny andron' ny mpanjaka, hihevitra fa tena betsaka tokoa ny mpifanandrina aminy.

Noraisin' ny dahalo mpangalatra omby izany dihy izany rehefa nalaza eran' i Madagasikara ka lasa nisy niantso hoe "dihin-dahalo". Rehefa nivoaka avy ao amin' ny tany nahaterahany ny kilalaky dia nankasitraka azy ny eran' ny Nosy ary niitatra hatrany amin' ny ivelan' ny sisin-tany malagasy izany lazany izany.

Fivoarany hanova

Nandihizana tamin' ny fomba maotina sy malefaka ity mozika ity tany am-piandohany, niadana kokoa tsy tahaka ny hita ankehitriny ny gadona. Saingy, noho ny fifaneraserana amin' ny mozika afrikanina sy ny malagasy hafa dia nanafaingana ny gadon' ity mozika nentim-paharazana ity ny tanora mpanakanto mozika ka lasa tena nihetsiketsika izaitsizy ny kilalaky sady lasa anisan' ny mozika mafana indrindra eto Madagasikara.

Ny fiangaliana azy hanova

Fampiasana azy hanova

Ny Sakalava any Menabe no tena miangaly ny kilalaky, izay mozikan-danonana ho an' ity foko ity. Ampisehoana ny hafaliana sy ny firavoravoana amin' ny fandraisana vahiny tonga mitsidika koa ny kilalaka. Ahitana dihy kilalaky ny fotoana ankalazana ny fitampoha any Belon' i Tsiribihina. Ahetsika mandroso sy miverina ny tongotra sady miondrikondrika no mitodika ankavia sy ankavanana manaraka ny gadona ny loha rehefa mandihy azy, sady milahatra manjohy manao boribory.

Zavamaneno hanova

Azo atao ny mandihy kilalaky na dia tsy misy zavamaneno satria mozikan' antsa sy tehaka ilay izy. Ny zavamaneno tena ampiasaina amin' ny kilalaky anefa dia ny kabôsy. Any ambanivohitry ny faritr' i Menabe dia mbola manjaka hatrany ity zavamaneno ity. Nanampy azy io taty aoriana ny zavamaneno môderina toy ny jembe, ny gitara elektrika, ny gitara beso, ny sentetizera ary ny amponga maro anaka.

Mpanakato sy tarika hanova

Lasa fantatr' i Madagasikara manontolo ny kilalaky taorian' ny nivohan' ny sanganasan' i Bagzana, izay tarika mpisava lalana, nitondra ny lohateny hoe "Siky menamena". Maro koa ny mpihira sy mpandihy kilalaky any amin' ny faritra hafa eto Madagasikara na dia tsy mponina avy any Menabe aza. Indreto ny tarika sy mpanakanto mpiangaly kilalaky fanta-daza sasany: Aba Kilalaky, Barinjaka, Tsiliva, Bien de Morondava, Laba Kilalaky, Reo Iaby, Samonta de Bosy, Sylange Kilalaky ary Tsinjoriake.