Ny kôbalta dia singa ara-tsimia miloko fotsy manopy volom-bolafotsy, izay aseho amin' ny alalan' ny eva Co, sady mitondrana ny laharana atômika 27. Iray fianakaviana amin' ny vy sy ny nikela izy nefa misy herin' andriamby. Amin' ny maripanan' ny tontolo manodidina dia kely ny fahafahana mandrirotra azy sady kely koa ny tohitra ao aminy, amin' ny maripana ambony kosa dia miha mora rotitina izy. Mitsonika ny kôbalta amin' ny maripana 1 495 °C ary mangotraka amin' ny maripana 2 927 °C. Manana hakitroka 8,9 izy ary ny lanja atômikany dia 58,933. Laharana faha-30 ny kôbalta raha ny hamarony ao anaty Tany no heverina. Ny akoran-kôbaltitan' i Ontario any Kanadà sy ao amin' ny firenena ao Afrika Afovoany (Repoblika Demôkratikan' i Kôngô sy Zambia) no loharano ahazoana betsaka indrindra ny kôbalta amidy eo amin' ny tsena iraisam-pirenena. Ny taharo ahitana tsỳ, atao hoe tsìn-kôbalta dia ampiasaina amin' ny fanamboarana andriamby maharitra.

Akoran-kôbalta

Jereo koa

hanova