Ambatovy (orinasa)

Ambatovy dia orinasa eto Madagasikara, any amin' ny faritanin' i Toamasina, ao amin' ny faritra Alaotra-Mangoro, Moramanga, izay nisokatra tamin' ny taona 2012, mpitrandraka nikela lateritika sy kôbalta isan' ny lehibe indrindra eran-tany. Fikambanan' orinasa izy, dia ny Sumitomo Corporation[1] ary ny Korea Mine Rehabilitation and Mineral Resources Corporation (KOMIR). Ity farany dia manana ny 27,5 % n' ny vola ampiasaina ao ary ny Sumitomo Corp. no miantoka ny 54,17 %. Afaka mamokatra nikela 40 000 taonina[2] sy kôbalta 4 000 taonina isan-taona[2] ny orinasa Ambatovy. Maharitra 29 taona ny fotoana hanaovana ny fitrandrahana. Ny orinasa Ambatovy no nahitana fampiasam-bola goavana indrindra teo amin' ny tantaran' ny toekaren' i Madagasikara ka nanao ny nikela ho vokatra fanondrana lohalaharana, izay mitana ny 32 %n' ny fanondranana any ivelany tamin' ny taona 2015.

Ambatovy

Ny asany hanova

Vokatra trandrahana hanova

Nahazo ny taratasy fahazoana mitrandraka ara-tontolo iainana avy tamin' ny Office National de l'Environnement (ONE) ny orinasa Ambatovy tamin' ny taona 2006. Nifarana tamin' ny taona 2011 ny dingana fanorenana ny tetikasa ka tamin' ny faran' ny taona 2012 no nanatanterahana ny famokarana nikela voalohany. Tamin' ny Septambra 2012 no nanome fahazoan-dalana hitrandraka an' Ambatovy ny fanjakana malagasy[3]. Nanomboka nanao fitrandrahana mitodika amin' ny varotra ny orinasa tamin' ny taona 2014.

Sady mitrandraka ny akora any ambanin' ny tany ny orinasa no misahana koa ny fanadiovana ny vokatra azo[4]. Mampisasa olona miisa 9 900 any ho any ny orinasa Ambatovy, ka mpiasa mivantana ny sasany fa ny sasany kosa orinasa mpikarama aminy ka ny 93 % amin' izany dia Malagasy.

Toeram-pitrandrahana hanova

Ny toeram-pitrandrahana[5] izay ao Moramanga, amin' ny faritra Alaotra Mangoro, dia misy tahiri-nikela voa-janahary roa, dia ny ao Analamay sy ny ao Ambatovy, izay tombanana any amin' ny 125 tapitrisa taonina. Ny toerana misy ny orinasa dia ao amin’ ny morontsiraka antsinanan' ny Nosy, ao Toamasina, sady mifadray amin' ny alalan' ny fantsona[6] [7] mirefy 220 km natao hitaterana ny akora tsy mbola voadio. Ny vokatry ny orinasa Ambatovy dia ahitana nikela (99,8 % madio)[8], ny kôbalta (99,8 % madio)[2] [9] ary ny solfatan' alominioma izay vokatra sisan' ny fanadiovana ny metaly sady azo ampiasaina amin' ny fambolena. Ny famokarana nikelan' Ambatovy dia voasoratra ao amin' ny London Metal Exchange nanomboka tamin' ny taona 2015.

Ambatovy sy ny tontolo iainana hanova

Fiarovana ny tontolo iainana sy ny orinasa hanova

Ambatovy dia fantatra amin' ny ezaka ataony amin' ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny orinasa. Tetikasa natao fakan-tahaka ny orinasa Ambatovy noho ny fandaharan' asany atao hoe Business and Biodiversity Offsets sady mahazo loka matetika toy ny Green Star Award, ao amin' ny sokajy Fisorohana sy ny Fanomanana, ary ny Nedbank Capital Sustainability Award, tamin' ny taona 2015, noho ireo asa sy fidirana an-tsehatra ataony amin' ny fiainan' ny mponina eo an-toerana. Manohana ny famatsiana ny mponina eo an-toerana sy ny famoronana orinasa ary ny fanohanana ny fiforon' ny asa eo an-toerana mbamin' ny tombontsoan' ny mponina izy. Sarotra tombanana ny fandraisan' anjara an-kolaka ataon' ny orinasa Ambatovy amin' ny famoronana asa eo an-toerana, nefa ny mpanao fananadihadiana iraisam-pirenena sasany (isan' izany ny World Bank CSRM) dia manombana fa ny fiantraikan' ny famokarana harena an-kibon' ny tany dia misahana ny fanomezana asa tsy mivantana ho an' olona roa hatramin' ny dimy isaky ny olona iray ampiasainy mivantana.

Jereo koa hanova

Loharano hanova

  1. Fukase, Atsuko (16/10/2015). "Sumitomo Faces Possible Loss on Nickel Project". Wall Street Journal. ISSN 0099-9660. Notsidihina tamin'ny 26/07/2018.
  2. 2,0 2,1 et 2,2 "Ambatovy | Home" [tahiry], sur www.ambatovy.com (notsidihina tamin'ny 04/12/2017)
  3. "Ambatovy Receives Operating Permit". Toronto, Ontario: Sherritt International Corporation. 13/09/2012. (Tahiry 24/09/2015). Notsidihina tamin'ny 28/11/2012.
  4. "The Ambatovy Project, One of the World's Largest Nickel Mining Projects". Sumitomo Corporation. 08/2013. Notsidihina 02/10/2015.
  5. www.ambatovy.com Archived Jolay 8, 2017 at the Wayback Machine (tahiry)
  6. www.ambatovy.com/toerana Archived Jolay 8, 2017 at the Wayback Machine (tahiry)
  7. Ambatovy | Le Pipeline Archived Jolay 8, 2017 at the Wayback Machine [tahiry], sur www.ambatovy.com (notsidihina tamin'ny 04/07/2017)
  8. www.ambatovy.com/99.8 Archived Jolay 8, 2017 at the Wayback Machine (tahiry)
  9. www.ambatovy.com/cobalt (tahiry)