Julien Razafimanazato
Julien Razafimanazato | ||
Ankapobeny | ||
Anarana | Julien Razafimanazato | |
Teraka | 7 Jolay 1968 | |
Fiaviana sy ny andraikitra | ||
Firenena | Madagasikara | |
Karazana | Malagasy | |
Asa : | Mpampianatra amin'ny Oniversite | |
Asa hafa | Mpanao politika | |
Fiainana manokana | ||
Seha-pitiavana | vady | |
Julien Razafimanazato dia olo-manga Malagasy teraka tamin'ny 7 Jolay 1968 tao Mandritsara[1]. Izy no minisitra fanabeazam-pirenena tamin'ny fitondrana tetezamita Andry Rajoelina tamin'ny taona 2009 hatramin'ny 2011. Manana asa hafa koa izy, mpampianatra amin'ny Oniversite.
Biôgrafia
hanovaI Razafimanazato Julien, manambady ary manana zanaka telo, avy amin'ny foko tsimihety, zanaka mpampianatra izy.
Fianarana
hanovaTany amin'ny faritra sofia no nianarany voalohany, ary nanohy fianarana tamin'ny Oniversite Fianarantsoa sy Antananarivo. Tao anatin'ny tontolo siantifika ny sehatra fianarana nataony, ireto avy ny dingana noratoviny :
- Tamin'ny taona 1990 – 1991, nahazo lisansa amin'ny Siansa Matematika ranoray tao amin'ny Oniversite Fianarantsoa[2].
- Manana Maitrise roa amin'ny Matematika ranoray sy Matematika fampiarana tao amin'ny Oniversiten'Antananarivo.
- Ny taona 1994, nahazo AEA na (Attestation d'Études Approfondies) amin'ny Matematika ranoray tao amin'ny Oniversiten'Antananarivo.
- Manana DEA amin'ny Matematika ranoray, sokajy: Analyse Harmonique tao amin'ny Oniversiten'Antananarivo.
Ary mbola nanohy fianarana tany ivelany, tany amin'ny Oniversite Paris VII, Paris 1 Panthéon-Sorbonne ary Paris XI.
Politika
hanovaMinisitra
hanovaVoatendry minisitra[3] fanatanjahatena sy ny tanora nanomboka ny volana martsa hatramin'ny septambra, taorian'izany voatendry minisitra fanabeazam-pirenena[4] izy tamin'ny taona 2009 hatramin'ny taona 2011 tao anatin'ny governemantan'i Monja Roindefo izany.
Antoko politika
hanovaNanorina antoko politika antsoina hoe Eto Sehatry ny Daholobe (ESD) na Espace de Solidarité pour le Développement amin'ny teny frantsay, tanjona dia entina hirotsaka mpifaninana fifidianana filohampirenene ny taona 2013[5].
Fifidianana filoham-pirenena taona 2013
hanovaSopitra
hanovaJereo koa
hanovaRohy ivelany
hanovaTsiahy
hanova
|