Jônatàna Makabeo

(tonga teto avy amin'ny Jonatàna Makabeo)

I Jônatàna Makabeo na Jônatàna Apefosy dia rahalahy sady mpandimby an' i Jodasy Makabeo izay samy zanaka lahin' i Matatià (na Matatiasy). Taorian' ny fahafatesan' i Jodasy rahalahiny dia nanohy ny fitarihana ny mpikomy izy nandritra ny telo taona. Tamin' ny taona 157 tal. J.K. izy sy ny Siriana, izay sahirana noho ny ady an-trano nisy tao amin' izy samy izy noho ny antony pôlitika, dia nanao fifanarahana mba tsy hiady intsony. Tamin' ny taona 152 i Jônatàna dia lasa mpisoronabe tao Jerosalema sady mpandraharaha mpanapaka an' i Jodea (na Jodia). Taorian' izany dia mbetika izy manohana ireo mpanjakan' i Siria mbetika manohana ireo te haka ny fanjakana. Tamin' izany koa no nanitaran' i Jônatàna ny fanjakany sy nampitomboany ny tanjaky ny Jiosy. Tamin' ny taona 143 tal. J.K. dia niady tamin' ny tafik' i Jônatàna i Diôdôtôsy Trifôna, izay isan' ireo te haka ny fahefana ao amin' ny fanjakan' i Siria, ka nandresy an' i Jônatàna izay nampidiriny am-ponja tao akaikin' i Beta-Shana sady novonoiny taty aoriana.

Mandrava ny tempolin' i Dagôna i Jônatàna, sary nataon' i Gustave Doré, taona 1866. Dagôna no anaran' ny andriamanitry ny Filistina taloha sy an' ny Siriana taty aoriana.

Atao hoe יונתן אפפוס / Yonatan 'Apefus i Jonatàna amin' ny teny hebreo.

Jereo koa hanova