Kolikoly eto Madagasikara

Ny kolikoly eo Madagasikara dia olana goavana mahazo ny sehatra rehetra eo amin' ny fiarahamonina malagasy, manomboka amin' ny fanaovana pôlitika sy amin' ny toekarena ka hatrany amin' ny fitsarana. Tamin' ny taona 2023 ny Transparency International dia nanakilasyu an' i Madagasikara ao amin' ny laharana faha-145 amin' ny firenena miisa 180 ary nanome tondrom-pahatsapana kolikoly 25/100 an' ity firenena ity[1]. Sakana lehibe amin' ny fampandrosoana ny firenena ny kolikoly ary mitera-doza eo amin' ny fiainan' ny Malagasy. Amin' ny heviny ankapobeny, ny kolikoly dia fanararaotam-pahefana atao mba hahazoana tombontsoa manokana izay tsy ara-dalàna. Izany fampiasana tsy ara-dalàna ny fahefam-panjakana mba hahazoana tombontsoa manokana izany dia manimba ny tombontsoan' ny daholobe. Misy vokany ratsy eo amin' ny fampandrosoana ny firenena sy ny fiadanan' ny mponina ao aminy ity olana ity.

Sarintany maneho ny tondro maneran-tany momba ny fahitana kolikoly tamin' ny taona 2022 araka ny Transparency International. Anisan' ny firenena be kolikoly indrindra i Madagasikara.

Antony mahatonga ny kolikoly

hanova

Ny fahalemen' ny andrim-panjakana

hanova

Matetika dia tsy mahomby sady tsy mangarahara ny fomba fiasan' ny andrim-panjakana sy ny raharaham-panjakana eto Madagasikara ka manamora sy mamporisika ny fanaovana kolikoly.

Ny fahantrana

hanova

Manosika ny olona sasany hiroso amin' ny fanaovana kolikoly koa ny fahantrana satria izany no heveriny fa hanatsara ny momba azy na ny fidiram-bolany.

Ny fandeferana ny kolikoly

hanova

Matetika dia leferina, na misy mamporisika mihitsy aza, ny kolikoly eto Madagasikara, hany ka mahazo vahana ny tsimatimanota eo amin' ny fanaovana kolikoly. Manana anjara toerana lehibe amin' ny fanaovana kolikoly ny tambajotra pôlitika izay miaro ny mpanao kolikoly mampandroso ny tombontsoan' antoko.

Tsy fahampian' ny mangarahara

hanova

Mandrisika ny kolikoly eo amin’ ny fitantanana ny raharaham-panjakana ny tsy fisian’ ny mangarahara.

Ny kolontsaina manao kiantranoantrano

hanova

Miorim-paka lalina ao anatin' ny kolontsaina malagasy ny kiantranoantrano, manamora ny tambajotran' ny kolikoly.

Sehatra anjakan' ny kolikoly

hanova

Kolikoly mahakasika ny harena voajanahary

hanova

Olana maro rantsana sy lalim-paka ny kolikoly mahakasika ny sehatry ny harena voajanahary eto Madagasikara izay miseho amin' ny fomba maro samihafa.

Fitrandrahana sy fanondranana an-tsokosoko tsy ara-dalàna

hanova
 
Fitrandrahana andramena tsy ara-dalàna any avaratra

Nahitana fitrandrahana sy tsy ara-dalàna lehibe ny andramena (Dalbergia), izay karazan-kazo saro-bidy, i Madagasikara. Ny tambajotran-jiolahy, matetika misy firaisana tsikombakomba amin' ny mpitondra ara-pôlitika sy ara-pitantanana, dia manao fanapahana hazo tsy ara-dalàna any amin' ny valan-javaboarim-pirenena, manao hosoka amin' ny antontan-taratasy fanondranana (fahazoan-dalana, taratasy fanamarinam-piaviana) ary manolikoly ny tompon' andraikitra amin' ny fanaraha-maso ny ala sy ny fadin-tseranana mba hanamora ny fifamoivoizana, indrindra mankany any Azia.

Miavaka ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany madinika, matetika tsy ara-dalàna, noho ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, ny tsy fanarahana ny fenitra ara-tontolo iainana sy ara-tsôsialy, ny fanondranana an-tsokosoko ary ny kolikoly. Misy ny fahazoan-dalana hitrandraka azo amin' ny hosoka, ny habetsaky ny harena an-kibon' ny tany voatrandraka sy ny vola miditra anaovana fanambaràna kely kokoa mba hialana amin' ny hetra, ary misy tsolotra omena mba hahatonga ny tompon' andraikitra hanakipy ny masony amin' ny asa tsy ara-dalàna na ny fitrandrahana any amin' ny faritra voarara.

Ny fanondranana an-tsokosoko ny karazan-javamaniry sy ny karazan-biby arovana, toy ny sokatra (radiata, angonoka), ny varika sy ny sifaka, ny tanalahy, ny vorona ary ny zavamaniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara, dia endrika kolikoly iray hafa. Mamoaka fahazoan-dalana hosoka ahafaha-manao fanondranana tsy ara-dalàna ny tompon' andraikitra mpanao kolikoly, ka manamora ny fivezivezen' ny entana miampita sisin-tany na manome vaovao ny mpanondrana tsy ara-dalàna momba ny fanaraha-maso.

Kolikoly eo amin' ny fitantanana

hanova

Ny tsolotra, ny fanomezana tombon-tsoa na ny fampanantenana fanomezana tombontsoa dia azo ampiasaina mba hanomezana fahazoan-dàlana hahafahana mitrandraka harena an-kibon' ny tany na hazo, na hahafahana misahana raharaham-panjonoana, izay tsy manaja ny fomba fiasa ara-dalàna na ny fanadihadiana ny fiantraikany amin' ny tontolo iainana na ny fifampidinihana amin' ny mponina eny ifotony. Ny kolikoly dia mety handoto ny tolo-bidy ho an' ny tetikasa mahakasika ny harena voajanahary (fanamboaran-dalana, fitrandrahana hazo), miaraka amin' ny orinasa manome tsolotra hahazoana fifanarahana, ka manohintohina ny fifaninanana sady miteraka fandaniana fanampiny ho an' ilay orinasa.

Ny mpiasam-panjakana misahana ny fanaraha-maso ny fitrandrahana harena voajanahary (inspektera ao amin' ny harena an-kibon' ny tany na ao amin' ny ala na ao amin' ny fadin-tseranana) dia mety ho voatsolotra mba hikipy maso amin' ny asa tsy ara-dalàna, mba hampitandrina ny mpanao fanondranana tsy ara-dalàna amin' ny fanaraha-maso mananontanona na hanao hosoka amin' ny tatitra momba ny fisafoana nataony. Ny vola azo avy amin' ny fitrandrahana ny harena voajanahary (hetra, sns) dia azon' ny tompon' andraiki-panjakana ahodinkodina, amin' ny alalan' ny kaonti-mbanky any ivelany, ny famoahana faktiora midangana loatra na ny faktiora sandoka, mba tsy haloa any amin’ ny kitapom-bolam-panjakana ka hampiasaina amin' ny fampandrosoana ny firenena.

Afaka mitana anjara toerana lehibe eo amin' ny fahafaha-mitrandraka harena voajanahary ny fahitahitana ara-pôlitika sy ny fatoram-pianakaviana, ka mahazo tombony tsy ara-drariny ireo akaiky ny fitondrana.

Sehatra iasan' ny fanjakana

hanova

Sehatra tsy miankina

hanova

Vokatry ny kolikoly

hanova

Miteraka fanodinkodinana ny harem-bahoaka, izay tokony hampiasaina hamatsiana ny tetikasa fampandrosoana, ny kolikoly. Mampitombo ny tsy fitoviana ara-tsôsialy ity fanao mamohehatra ity satria mampitombo ny haren' olom-bitsy izay mampahantra ny sarambabem-bahoaka. Miteraka fahapotehan' ny asa sahanin' ny fanjakana ho an' ny daholobe ny kolikoly, anisan' ireo asa ireo ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny famatsiana angovo sy rano. Ity fanao ity koa dia mampikorosy fahana ny fanjakana tan-dalàna ary mampihena ny fitokisan' ny olom-pirenena ny fanjakana sy ny andrim-panjakana ao aminy.

Sarotra ny miady amin' ny kolikoly eto Madagasikara noho ny tsy fahampian' ny finiavana pôlitika izay tokony hatanjaka sy haharitra. Manampy trotraka koa ny fanoherana ataon' ny tambajotra mpanao kolikoly amin' ny alalan' ny fametrahany paikady fiarovan-tena sy fitazonany ny tombontsoany. Anisan' ny mahasarotra ny ady amin' ny kolikoly koa ny tsy fahampian' ny vola sy ny fitaovana ary ny olona, na dia mety hisy aza ny finiavana hanatanteraka ny ady.

Jereo koa

hanova

Rohy ivelany

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova
  1. "Indice de Perception de la Corruption 2023", www.transparency.mg