François Xavier
François Xavier | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | François Xavier | ||
Teraka | 7 Aprily 1506 | ||
Maty | 3 Desambra 1552 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Espaina | ||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
I François Xavier dia misiônera katôlika zezoita avy any Navarre, any Espaina. Namana akaikin' i Ignace de Loyola izy, anisan' ny mpiara-manorina ny Fikambanan' i Jesoa. Amin' ny teny espaniôla izy dia atao hoe Francisco Javier, fa amin' ny teny baska kosa dia Frantzisko Xabierkoa. Teraka tamin' ny 7 Avrily 1506 tao Javier, tanàna akaikin' i Pamplona any Navarre, izy, ary maty tamin' ny 3 Desambra 1552 tao amin' ny nosy Shangchuan (anarana erôpeana taloha: Sancian), akaikin' ny morontsirak' i Canton any Sina. Ny anarany tamin' ny fahaterahany dia Francisco de Jasso y Azpilicueta.
Ny fahombiazany tamin' ny asan' ny misiônera tany India sy tany Atsinanana Indrindra dia nahazoany ny anaram-boninahitra hoe "Apôstôlin' i India", izay nahavita nandeha efa ho 80 000 km nandritra ny iraika ambin' ny folo taona nisiany tany Azia.
Nambara ho olon-tsambatra izy tamin' ny taona 1619, ary nambaran' ny papa Gregôrio XV ho olo-masina telo taona tatỳ aoriana. Ao amin' ny litorjia izy dia tsarovan' ny Katôlika sy ny Anglikanina isaky ny 3 Desambra.
Jereo koa
hanovaRohy ivelany
hanova- Ao amin'i Freebase: [1]