I Gregôrio XV dia evekan' i Rôma sy papa faha-234 tao amin' ny Eglizy Katôlika, izay teraka tamin' ny 9 Janoary 1554 tao Bologna ary maty tamin' ny 8 Jolay 1623 tao Rôma. Ny anarany talohan' ny naha papa azy dia Alessandro Ludovisi. Amin' ny teny latina izy dia atao hoe Gregorius XV, fa amin' ny teny italiana kosa dia Gregorio XV. Voafidy ho papa tamin' ny 9 Febroary 1621 izy sady mpitondra ny fanjakana papaly na pôntifikaly, nomena io anarana hoe Gregôrio io izy ho fanomezam-boninahitra an' i Gregôrio XIII izay nampiditra azy ao amin' ny raharaha momba ny fiangonana. Naharitra 30 volana teo ho eo ny fe-potoam-piasany, na izany aza dia namokatra sy nanao fanapahan-kevitra lehibe teo amin' ny fandaminana anatiny ao amin' ny Eglizy Katôlika izany.

Ny papa Gregôrio XV

Malaza izy tamin' ny nananganana ny Congregatio pro Gentium Evangelizatione ("Fikambanana ho an' ny Fitoriana ny Evanjely amin' ny Vahoaka"), izay fikambanana niandraikitra ny fanaraha-maso ny fielezan' ny katôlisisma sy ny asa misiônera. I Gregôrio XV koa dia tompon' andraikitra tamin' ny fanambaràna amin' ny fomba ôfisialy an' i Ignace de Loyola, i François Xavier, i Teresa de Ávila ary i Filippo Neri, izay nanamafy ny fanoloran-tenany ho amin' ny Fanoheram-panavaozana nanoherana ny Fanavaozana prôtestanta sy ny fielezana' ny prôtestantisma.