Fiteny kôirabôrô

Ny fiteny kôirabôrô, izay antsoina koa hoe fiteny sôngay atsinanana, fiteny kôrôbôrô na fiteny kôira, dia karazan' ny fiteny sôngay tenenin' ny olona ao Maly miisa 400 000 eo ho eo manamorona ny ony Niger hatrany Gourma-Rharous, tapany atsinanan' i Tombouctou, ka hatrany Bourem, Gao, ary Ansongo eo amin' ny sisin-tany miaraka amin' i Nizera. Tamin' ny taona 2017 dia niisa 430 000 ny mpiteny kôirabôrô.

Ny andian-teny hoe koyra-boro senn-i ("fiteny kôirabôrô") dia manondro ara-bakiteny ny "fitenin' ny mponina an-tanàn-dehibe", mifanohitra amin' ny mponina mpifindrafindra monina (toy ny Toarega) sy ny olona hafa mpivezivezy.

Na dia ampifandraisina amin' ny tanàn-dehibe aza ny fiteny kôirabôrô dia fiteny amin' ny tanàna maro izay niely niantsinanana sy niankandrefana avy any Gao ka hatrany amin' ny Folany monina ao amin' ny sisin-tany manasaraka an' i Nizera amin' i Maly sy hatrany amin' ny Bôzô. Ao atsinanan' i Tombouctou, ny fiteny kôirabôrô dia mamela toerana ho ana fiteny sôngay hafa, dia ny fiteny kôira (koyra chiini).