Ny fiteny dendy dia iray amin' ny fitenim-paritra lehibe ao amin' ny vondrom-piteny sôngay atsimo. Anisan' ny fiteny nilô-sahariana io fiteny io.

Ampiasaina ho fitenim-barotra manerana ny tapany avaratr' i Benîno (manamorona ny ony Niger) ny fiteny dendy. Mamorona andiana fitenim-paritra miaraka amin' ny fiteny zarma sy ny fiteny kôirabôrô seny izy saingy nandray singan-toetra maro dia maro avy amin' ny fiteny bariba.

Ny fiteny dendy dia ampiasaina indrindra any amin' ny tapany avaratr' i Benîno (any Karimama sy Malanville ), nefa koa hita any amin' ny faritra hafa ao Benîno, sy any amin' ny firenena manodidina toa an' i Nizera (ao Gaya). Ampiasain' ny 4 % amin' ny mponina beninoà ny fiteny dendy. Ny Dendy no vondrom-poko lehibe ao amin' ny Departemanta efatr' i Alibori, i Borgou, i Donga ary i Atakora.

Any Nizerià, ny vahoaka Dendy dia hita any amin’ ireo fanjakana an-tsisin-tany (Kebbi, Kwara, Niger, ary Sokoto), sy any amin' ny faritra hafa any Nizerià. Matetika izy ireo no antsoina amin' ny anarana haosa hoe Dendawa (izay anondroana ny vahoaka sôngay ihany koa).

Jereo koa hanova