Fiteny malaialama
(tonga teto avy amin'ny Fiteny malayalam)
Ny fiteny malaialama (amin' ny fiteny malaialama: മലയാളം, malayāḷam) dia anisan' ny fiteny dravidianina tenenina any amn' ny tapany atsimon' i India. Teny ôfisialin' ny faritany mizaka-tenan' i Kerala ilay fiteny ka teny ôfisialin' i India ihany koa. Ny toerana hafa manana ny fiteny malaialama ho teny ôfisialy dia ao amin' ny faritanin' i Lakshadweep ary any Pondicherry. 35,9 tapitrisa no isan' ny mponina miteny ilay fiteny any India sy manerana izao tontolo izao. Ny fiteny malaialama dia avy amin' ny fiteny tamily; nisongadina ilay fiteny tamin' ny taonjato faha-6. Betsaka ny voambolana malaialama avy amin' ny fiteny sanskrity, ary avy amin' ny fiteny sanskrity ny 80 % amin' ny voambolany.