Ny fiteny kabily na fiteny kabila dia fiteny berbera avaratra (tamazight) ampiasaina ao Kabilia, faritra ao amin' ny tapany avaratr' i Alzeria sy ampiasain' ny diaspôra lehibe kabily, any Alzeria sy any amin' ny firenena hafa (indrindra fa any Frantsa sy any Belzika ary any Kanada). Tombanana ho 3,5 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny mpiteny any Kabilia ary manodidina ny 6 tapitrisa izany maneran-tany, indrindra any Alzeria sy any Frantsa. Io no fiteny berbera faharoa be mpampiasa indrindra, aorian' ny fiteny taselhita (ao amin' ny tapany atsimon' i Marôka). Atao hoe ⵜⴰⵇⴱⴰⵢⵍⵉⵜ / taqbaylit [θæqβæjliːθ] ity fiteny ity amin' ny fiteny kabily.

Any Alzeria, io no fiteny berbera voalohany amin' ny isan' ny mpiteny, arahin' ny fiteny tasaoia. Any Afrika Avaratra, izy no laharana faharoa aorian' ny fiteny taselhita.

Tamin' ny 10 Avrily 2002, nisy fanavaozana ny lalàmpanorenan' i Alzeria nanampy ny andininy 3bis, izay nanaiky ny fiteny berbera ho fitenim-pirenena. Tamin' ny fiandohan' ny taona 2016, amin' ny maha fiteny berbera azy dia nahazo ny satan' ny fiteny ôfisialy tao Alzeria ny fiteny kabily tamin' ny alalan' ny fanavaozana ny lalàmpanorenana.

Jereo koa

hanova