Fiteny berbera avaratra

Ny fiteny berbera avaratra, izay sampan' ny vondrom-piteny berbera, dia fitohizam-piteny hita manerana an' i Afrika Avaratra. Ny fitohizana ara-jeôgrafian' ireo fiteny ireo dia tapaka noho ny fielezan' ny fiteny arabo sy, amin' ny lafiny kely kokoa, noho ny fisian' ny zana-bondrom-piteny zeneta. Ny fiteny zeneta dia ahitana fanavaozana vitsivitsy izay tsy hita amin' ny fiteny manodidina azy ireo, indrindra fa ny fiovan' ny feo [k] ho [ʃ] sy ny tsy fisian' ny tovona a- amin' ny teny sasany (ohatra: afusfus "tanana").

Ny vondrom-piteny berbera avaratra dia ahitana:

  • ireo fiteny "tsy zeneta" na "tsy zenetiana":
    • ireo fiteny ao Atlas (fiteny silha), ao Marôka;
    • ny fiteny kabila, ao Alzeria;
  • ireo fiteny zeneta na zenetiana:
    • ny fiteny rifana (any Rif), any avaratra-atsinanana amin' i Marôka, anisan' izany ny fitenim-paritra beni-snasena sy ny fitenim-paritra zeneta hafa ao atsinanana marôkana;
    • ny fiteny berbera ao Atlas afovoany atsinanana, ao afovoany atsinanana amin' i Marôka, tetezamita mankany amin' ireo fiteny berbera ao Atlas;
    • ny fitenim-paritra avaratra-andrefana amin' i Alzeria, anisan' izany ny fiteny senoy na senoa;
    • ny fiteny saoia na saoy, any Aurès, ao Alzeria;
    • ireo fiteny zeneta ao Sahara afovoany sy avaratra;
    • ny vondrom-piteny zeneta atsinanana, tetezamita mankany amin' ireo fiteny berbera atsinanana, ampiasaina any Tonizia sy Libia.

Na dia nofaritan' i Kossmann ho anisan' ny fitenim-paritra zeneta any avaratra-andrefana amin' i Alzeria aza ny fitenim-paritra beni-snosa dia matetika heverina ho anisan' ny ny fitenim-paritra any Rif, indrindra fa any Rif atsinanana.

Ny fiteny nafosy, izay tenenina any avaratra-andrefana amin' i Libia, izay noheverina taloha ho anisan' ny vondrom-piteny zeneta, dia nesorina tao amin' io vondrona io tamin' ny fanadihadiana vao haingana izay mampiditra azy amin' ny vondrom-piteny berbera atsinanana.

Jereo koa hanova