I Kabilia dia faritra manan-tantara any amin' ny tapany avaratr' i Alzeria, atsinanan' i Alger. Amin' ny teny kabily izy dia atao hoe Tamurt n Iqbayliyen, Tamurt n Leqbayel, Tamurt n Izwawen (ⵜⴰⵎⵓⵔⵜ ⵏ ⵉⵇⴱⴰⵢⵍⵉⵢⴻⵏ, raha atao amin' ny soratra tifinagh), fa بلاد القبائل kosa amin' ny teny arabo.

Tanàna kabily, manatrika ny Tangoron-tendrombohitra Djurdjura

Tany be tendrombohitra sy be mponina i Kabilia, voahodidina lemaka amorontsiraka ao andrefana sy ao atsinanana, i Mediteranea ao avaratra ary ireo Lembalemba Avo ao atsimo. Io anarany io dia avy amin' ny anaran' ny foko Kabily, vahoaka manana kolontsaina sy fomban-drazana berbera, izay avy ao aminy. Ny tantarany dia nahatonga azy io ho ivon' ny fanoherana ny mpanani-bohitra nifandimby, ary koa ny toeram-piaingan' ny tarana-mpanjaka maro, ary nametraka azy ho lohalaharana amin' ny hetsika itakiana ny fanekena ny maha amaziga (berbera) tao Alzeria sy tao Afrika Avaratra ankehitriny.

Toerana misy an' i Kabilia

Ny fahasamihafana hita amin' ny tontolo iaina ao aminy no mahatonga azy ho toerana misy zavamananaina isan-karazany voaaro amin' ny alalan' ny valan-javaboarim-pirenena maro. Ny toetaniny dia ahitana ririnina mamirifiry sy fahavaratra maina noho ny endriky ny vohon-taniny. Ny fampandrosoana ny fambolena, indrindra ny fambolena hazo, izay voafetran' ny toe-javatra voajanahary, i Kabilia ihany koa no ivon' ny famokarana asa tanana mampiavaka azy.

Ankoatra ny lova ara-tantara, dia manana lova tsy azo tsapain-tanana (ara-tsaina) manan-danja ilay faritra, anisan' izany ny literatiora am-bava, ny fifandanjana sy ny fomba fiainana tantsaha izay tokony hotehirizina. Any Alzeria, mahaleo tena, ny toekaren' ny farira Kabilia dia mahita fivoarana isongadinan' ny fananganana vondrona indostrialy iandraiketan' ny fanjakana na an' ny tsy miankina, sady isangadin' ny fahalianana amin' ny fizahantany.